|
|
|
|

Entrée1  Naloan' ny fasana
Partie du discours  2  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  3  Littérature: poèmes
Auteur  4  Narivony Jean
Texte complet 
5  Dia nody ny tafika fa avy nandresy, 6  Nirava ny toby, 7  Ka heno nanako ny antsa misesy 8  Narahina hoby. 9  'Reo foloalindahy nomban-Janahary 10  Nirehi-pamindra 11  Tsy resy tan' ady sy tsara mpirary 12  Ka mirana indrindra!
13  Somebika faly ny tao an-tanàna, io 14  Nifampiarahaba. 15  Hatraiza hatraiza dia nisy korana 16  Nomban-tabataba. 17  Kanefa indrisy! tanatin' izany, 18  Rahanitriniala 19  Dia re nitoloko sy heno tomany, 20  Nilaoza-malala !
21  Ravalo, hono, maty nanolotra ny ainy 22  Ho antoky ny ady, 23  Dia very ny toky nampanantenainy, 24  Ka ory ity vady; 25  'Lay hany domohina mamin' ny fony, 26  Nindaosim-papango; 27  Ny fiainana zary tsy sitrany intsony, 28  Fa feno farango.
29  Rehefa ho tapitra, hono, ny fetra 30  Aharetan' ny saona, 31  Dia tonga ireo efa naniry rehetra 32  Nitady hihaona. 33  Kanefa Rahanitra tsy mba nandray 34  Ny fitia kolokolo; 35  Nilaozan' ny vary ka mandrakizay 36  Tsy mila pisolo!
37  Niroso ny jono, nitranga ny vovo, 38  Fa tsy nahavoa; 39  Ny antitra trema, ny sidin-jatovo 40  Niseho avokoa, 41  Kanefa ny vola sy ny endrika kanto 42  Tsy nanana hery; 43  Nanoro niangavy ireo hanam-binanto 44  Fa tsy afa-nanery!
45  " Ny ahy, ny foko, ry dada sy neny, 46  Tsy ketsa nafafy 47  Ka ho haiko afindra ombieny ombieny, 48  Fa aleoko mihafy. 49  Ny ahy fitiavana latsaka anaty 50  Maningotra ny aiko, 51  Ka aoka hanaraka ilay efa maty 52  Tsy afaka an-tsaiko!"
53  Dia nofiny, hono, indray alina izay, 54  'Lay tiana eram-po 55  Nivoaka naloan' ny fasana indray, 56  Tsy simba na lo. 57  Dia tamy namafa ny tavany, hono, 58  'Zay feno tomany, 59  No sady nandrehitra ny afo voavonon' 60  Ny Fanantenany!
61  Kinanjo karazan' ny embona ihany 62  'Ty nofiny soa, 63  Fa indro' lay efa natelin' ny tany 64  Nitranga tokoa ! 65  Nitsaha-piavy' lay ora-mandriaka 66  Nanako-masoandro, 67  Nisava ny rahona ka nibaliaka 68  Ny taratry ny andro!
69  Tsy maty Ravalo, fa nony naratra 70  Dia lasan-ko babo, 71  Ka tonga tantanan' izay olona antra 72  Mba nety nitsabo. 73  Rehefa vimbinin' ilay Fitondrana, 74  Tsy misy ahina, 75  Ka indro fa tody eo an-tany nialany 76  Ravalonirina !
77  Ny tena fitiavana, hoy aho mantsy, 78  Dia mandrakizay; 79  Voarohin' ny tady tsy tapaky ny antsy 80  Ny fo mifandray! 81  Ny senton' ny lavitra mety ho heno, 82  Miampita tokoa 83  Rehefa fitiavana iray no mameno 84  Ny fon' olon-droa!

Mis à jour le 2025/07/29