Entrée miverina (verina)
Partie du discours verbe actif
Définition malgache efa lasa ka tonga indray: Fa nahoana no niverina indray ity ianao?
¶ tonga fanindroany: Miverina mitsidika fa manina ity havanao e!
¶ mody: Niverina tany antanindrazana izy ela ny ela!
¶ mitampody: Niverina ny androtr' iny ihany izy
¶ manao dia mianotra: Tandremo fa toa miverina io fiarakodia io izany!
¶ miherina: Miverina indray ity ny lohataona!
¶ mitodi-doha, manao tampody fohy, miverina ilalana [Rajemisa 1985]
Définition française revenir, retourner, rebrousser chemin, reculer, être redit [Abinal 1888]
Morphologie 
miverina
miverin-
miverim-
miveri-
niverina
niverin-
niverim-
niveri-
hiverina
hiverin-
hiverim-
hiveri-
miverena
Synonymes manangatra ~ manody ~ mifotitra ~ mimpody ~ mitampody ~ mody
Exemples 
1niverin-dalana izy (il a rebroussé chemin) [Abinal 1888, page 828]
2tsy mbola niverina izy (il n’est pas encore revenu) [Abinal 1888, page 828]
Citations 

2015/05/23