Entrée mipoaka (poaka)
Partie du discours verbe actif
Définition malgache Mamoaka feo mafy tampoka mirefotra (vato, vanja, basy, tafondro): Nipoaka ny tafondro ka nihovotrovotra ny trano
¶ Vaky miparitaka tampoka: Nipoaha ny fitaratra voan' ny vato
¶ (masoandro na ny andro) Miposaka, na amin' ny maraina na rehefa avy nandalo tao anaty rahona: Efa mipoaka ny andro ka andeha hanahy ny vary
¶ Mivoaka miseho hita ety ivelany, mirofotra: Tsy mbola nipoaka ny kitrotron' ny zanany
¶ Miseho miharihary, vaky: Nipoaka ny tetiky ry zareo ka henatra foana no hitany
¶ Nipoako ny ady lehibe no teraka ny zandriko
¶ Misy bontsina miseho, miempaka: Nipoaka ny tanako tamin' ny asa angady omaly sy afakomaly
¶ Mihamahia: Nipoaka Rakoto hatramin' izay naharariany izay [Rajemisa 1985]
  [Sihanaka] miposaka (masoandro) [Rakotosaona 1972]
Définition anglaise to burst, to explode [Hallanger 1973]
Définition française éclater, exploser [Hallanger 1974]
Définition française exploser [SLP 1986]
Morphologie 
mipoaka
nipoaka
hipoaka
mipoaha
Citations 

2011/01/20