Entrée mijery (jery)
Partie du discours verbe actif
Définition malgache  [Sihanaka] mihevitra [Rakotosaona 1972]
 Manatodika ny maso any amin' olona na zavatra iray mba hahita azy: Sady nijery ahy izy no niteny izany
¶ Mitazana: Aza mandany andro mijery eo am-baravarankely eo ianao
¶ Mitandrina: Nahoana no tsy mijery izay ataonao akory ianao
¶ Mihevitra: Tsy mijery afatsy ny fahamendrehany aho, / Mikarakara: Rakoto ve hijery ny mahantra
¶ Mahita ka tsy miraharaha, tsy milaza: Aza mijery arma an-tava
Mitovy hevitra: manombana ~ manopy maso ~ mibandrina ~ mibanjina ~ mikandrana ~ mitanjo ~ mitazana ~ mitsirika ~ mivandraka ~ mivandravandra ~ mivandrina
¶ Misy hevitra iraisana: mitily, mitsikilo, mizaha taratra, manazangazana, manarangarana, mangarangarana, mitaratra, manompirana, mangala-pijery, manao jery vilana, manao very maso, mitsipalotra (ny maso), mitodika, miherika, mangarika, mandritika, mijery ambony, miandrandra [Rajemisa 1985]
Définition anglaise to look at [Hallanger 1973]
Définition française regarder [Hallanger 1974]
Morphologie 
mijery
nijery
hijery
mijere
Synonymes mila jery
Exemples Misy fetra ny fahazakan' ny olona mijery na manao zava-doza. [Andraina: Mitaraina, page 246]
Citations 

2013/04/24