|
|
|
|

Entrée1  Midona moramora
Partie du discours  2  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  3  Littérature: poèmes
Auteur  4  Ny Avana
Texte complet 
5  Midona moramora 6  Ny any Ankaratra any; 7  Manembona isan'ora 8  Izay mandre izany.
9  Ny zavona mamono 10  Ilay Ambohimiangara, 11  Fa manina azy, hono, 12  Ny tiana, hany zara.
13  Manombana ho avy 14  Ny any Ambohimanoa; 15  Ny ranomasoko avy 16  No indray mirotsa-droa.
17  Mijojo vao maraina 18  Ilay Angavokely; 19  Ny alahelon-tsaina 20  Tsy hita velively.
21  Maneri-takariva 22  Ny eny Andringitra eny; 23  Ka dia " Mahatsiahiva " 24  No voalohan-teny.
25  Tomanitany lava 26  Ny fody eny Imanga. 27  Ny sento tsy misava. 28  Ny tiana tsy mitranga.
29  Tataovan-drahomanga 30  Iarivo indraindray; 31  Ireny miampanga 32  Fa manina izahay.
33  Veloma indrindra àry, 34  Veloma tsy doria; 35  Ka enga tsy harary, 36  Ry tiana sady tia.
37  Veloma mahatsiahy 38  No sisa holazaina. 39  Mandreraka fanahy 40  Ny ranomason-tsaina.
41  Tsahivo anefa izao 42  Ny fara tononkira: 43  Ny sora-tananao 44  No hany " sovenira " .

Mis à jour le 2025/05/06