Entrée manontany (ontany)
Partie du discours verbe actif
Définition malgache Manao teny mila setriny na valiny: Manontany anao aho ka valio
¶ Manadina: Nanontany an' Isambilo momba ny bika aman' endriky ny tany ny mpampianatra
¶ Maka ambavany, mamotopototra: Nanontany ny voampanga ny mpamototra [Rajemisa 1985]
Définition anglaise to inquire, to investigate, to make a search, to question [Richardson 1885]
 to ask a question, to interrogate [Hallanger 1973]
Définition française poser une question; questionner, interroger [Hallanger 1974]
Morphologie 
manontany
nanontany
hanontany
manontania
Synonymes miontany
Mots composés, titres, noms 
Exemples 
1Tsy manondro olona ho mpangalatra tsy akory aho fa mba manontany fotsiny. [Andraina: Mitaraina, page 74]
2Sady mibaiko izy, no manontany, no manompa, ka i Lidy mifihifihy no manaraka azy eto aoriana sy manao izay lazainy. [Rakotonandrasana: Tantsaha, page 153]
Citations 

2012/07/16