Entrée manaraka (araka)
Partie du discours   verbe actif
Définition malgache   Manjohy: Mitomany hanaraka an-dreniny Ikotokely
¶ Manao araka ny..,, mitandrina, manatanteraka: Manaraka ny didin' Andriamanitra
¶ Mandeha amin' ny lavan' ny, sisin' ny, moron' ny: Mandehana manaraka ny valamparia
¶ Tsy manohitra fa manao araka ny...: Manaraka ny fitongilanan-dratsy
¶ Momba ny..., miandany amin' ny,..: Manaraka ny fampianaran' i Bouddha
¶ Avy aoriana, mandimby: Manarako ny lohataona ny fahavaratra
¶ Vokatry ny: Manaraka ny heloka ny sazy
¶ Manao tahaka, maka tahaka: Tsarovy fa hanaraka ny hataonao ny zanakao
¶ Miady mba hahazo, mitaky amin' ny alalan' ny fitsarana: Tsy misy mahadiso ahy raha manaraka ny anjara lovako aho. [Rajemisa 1985]
Définition anglaise   to follow, to pursue; to obey, to agree to, to prosecute. [Richardson 1885]
   to follow; to obey; to prosecute [Hallanger 1973]
Définition française   suivre; obéir; poursuivre [Hallanger 1974]
Exemples  
1Miolakolaka manaraka ny fefiloha natao ho azy kosa Ikopa. [Rakotonandrasana: Tantsaha, page 5]
2Ny alahady manaraka io anefa, vao mainka nihakaondrana indray aho, raha ny kaondrana no resahina. [Andraina: I Vola, page 7]
Morphologie  
manaraka
nanaraka
hanaraka
manaraha
Mots composés, titres, noms  

Entrée manaraka
Partie du discours   verbe actif
Définition malgache   [Sihanaka] mitaratra tantely [Rakotosaona 1972]

Mis à jour le 2013/03/21