Entrée manafina (afina)
Partie du discours verbe actif
Définition malgache Mametraka zavatra amin' ny toerana tsy hahitana azy; manitrika: Manafina vola
¶ Mampiery: Miray tetika amin' ny olon-dratsy izay manafina azy
¶ Tsy mampiseho ety ivelany: Mahay manafina ny alahelony io vehivavy io
¶ Manarona, manakona: Tsy tsara ny manafina ny marina. / Nisy rahona nanafina ny volana indrindra tamin' izay
¶ Mandevina (mpanjaka): Tamin' ny alina no nanafenana ny masina. [Rajemisa 1985]
Définition anglaise to hide anything, to conceal anything; to bury a deceased sovereign. [Richardson 1885]
 to conceal [Hallanger 1973]
Définition française cacher [Abinal 1888, Hallanger 1974, Rajaonarimanana 1995]
 receler [Abinal 1888]
 garder le secret
¶ fig. ensevelir les souverains [texte complet dans Abinal 1888, Rajaonarimanana 1995]
Exemples 
1Hianareo manafina amiko! [Rajohanesa: Kintana]
2Niondrika aho, nanafina ny ranomasoko. [Andraina: Mitaraina, page 162]
3Ny manafina ny hareny ny maty momba, sy ny hareny ny maty mamosavy; [Callet: Tantara, page 1139]
Morphologie 
manafina
nanafina
hanafina
manafena
Mots composés, titres, noms 
Citations 

2014/05/18