|
|
|
|

Entrée1  mahafaty
Radical  2  faty
Partie du discours  3  verbe actif ou adjectif
Explications en malgache  4  Afaka hamono: Tsy mahafaty akoho akory, hono, Ramatoa io
5  Mahatonga ho faty: Tsy hahafaty azy akory io aretina io ~ Poizina mahafaty
6  Maharesy: Ny mpilalaonay Ampamarinana no nahafaty tamin' ny baolina
7  Mahazo: Tsy tsara ny tsena androany fa tsy nahafaty roanjato akory aho
8  Mamely mafy, tsy ahazoana aina, mahatrotraka: Mahafaty izany hatsiaka izany
9  Mamono, manala, mikosoka, mampanadino: Ny andro sy ny volana nifandimby no nahafaty ny soratra teto ~ Tsy misy hahafaty ny fahatsiarovako an' i Neny [1.1]
Explications en anglais  10  To kill [1.2, 1.7]
11  To put out a lamp [1.2]
Explications en français  12  Tuer [1.3#157, 1.8]
13  Pouvoir tuer, donner la mort, mortel [1.3#157]
14  Gagner au jeu, au commerce, gagner au pari [1.3#157]
15  Éteindre, effacer, enlever la force, abîmer, faire tomber en désuétude [1.3#157]
16  Éreinter, assommer, empester, étouffer [1.3#157]
Exemples  17  Ny mamono olona mahafaty olona. [1.123#]
18  Ny sazin'ny heloka tsy mahafaty. [2.508#]
19  Nareo, hoy i, tsy raha mahafaty ahy! [2.606#]
20  mahafaty io poizina io (Ce poison est mortel) [1.3#157]
21  mahafaty ny hafanana (La chaleur est assommante) [1.3#157]
22  nahafaty olona iray izy (Il a tué une personne) [1.3#157]
23  Heloka mahatapa-doha izany, heloka mahafaty izany! [2.528#]
24  mahafaty ity fiakarana ity (Cette montée éreinte) [1.3#157]
25  nahafaty ny vary ny rano (L’eau a abîmé le riz) [1.3#157]
26  mahafaty ny fofon' io fatim-biby (Cette charogne empeste) [1.3#157]
27  mahafaty izany setroka izany (Cette fumée est étouffante) [1.3#157]
28  nahafaty ny jiro ny rivotra (Le vent a éteint la chandelle) [1.3#157]
29  mahafaty tena ho an’ ny zanany izy (Il se tue pour ses enfants) [1.3#157]
30  Tsy mahafaty ny mamba ny bala (Les balles ne peuvent tuer un caïman) [1.3#157]
31  Tsy hahafaty azy io aretina io (Cette maladie ne lui donnera pas la mort) [1.3#157]
32  Ny ranonorana no nahafaty io hosodoko io (La pluie a abîmé cette peinture) [1.3#157]
33  Inona no nahafaty io soratra io? (Qu’est-ce qui a effacé cette écriture?) [1.3#157]
34  nahafaty ariary telo aho tany an-tsena (J’ai gagné trois piastres au marché) [1.3#157]
35  Iza no nahafaty taminareo roa lahy? (Quel est celui de vous deux qui a gagné au jeu?) [1.3#157]
36  Inona no nahafaty ny herin' ity toaka ity? (Qu’est-ce qui a diminué la force de ce rhum?) [1.3#157]
Morphologie 
37  Présent :
38  Passé :
39  Futur :
40  Impératif :
Mots composés 

Anagrammes  45  mahafaty, mahatafy

Mis à jour le 2023/09/13