|
|
|
|

Entrée1  mahafaty
Radical  2 faty
Partie du discours  3  verbe actif ou adjectif
Explications en malgache  4 Afaka hamono: Tsy mahafaty akoho akory, hono, Ramatoa io.
5 Mahatonga ho faty: Tsy hahafaty azy akory io aretina io ~ Poizina mahafaty.
6 Maharesy: Ny mpilalaonay Ampamarinana no nahafaty tamin' ny baolina.
7 Mahazo: Tsy tsara ny tsena androany fa tsy nahafaty roanjato akory aho.
8 Mamely mafy, tsy ahazoana aina, mahatrotraka: Mahafaty izany hatsiaka izany.
9 Mamono, manala, mikosoka, mampanadino: Ny andro sy ny volana nifandimby no nahafaty ny soratra teto ~ Tsy misy hahafaty ny fahatsiarovako an' i Neny. [1.1]
Explications en anglais  10 To kill. [1.2, 1.7]
11 To put out a lamp. [1.2]
Explications en français  12 Tuer. [1.3#157, 1.8]
13 Pouvoir tuer, donner la mort, mortel. [1.3#157]
14 Gagner au jeu, au commerce, gagner au pari. [1.3#157]
15 Éteindre, effacer, enlever la force, abîmer, faire tomber en désuétude. [1.3#157]
16 Éreinter, assommer, empester, étouffer. [1.3#157]
Exemples  17  Ny mamono olona mahafaty olona. [1.123#]
18  Ny sazin'ny heloka tsy mahafaty. [2.508#]
19  Nareo, hoy i, tsy raha mahafaty ahy! [2.606#]
20  mahafaty io poizina io (Ce poison est mortel) [1.3#157]
21  mahafaty ny hafanana (La chaleur est assommante) [1.3#157]
22  nahafaty olona iray izy (Il a tué une personne) [1.3#157]
23  Heloka mahatapa-doha izany, heloka mahafaty izany! [2.528#]
24  mahafaty ity fiakarana ity (Cette montée éreinte) [1.3#157]
25  nahafaty ny vary ny rano (L’eau a abîmé le riz) [1.3#157]
26  mahafaty ny fofon' io fatim-biby (Cette charogne empeste) [1.3#157]
27  mahafaty izany setroka izany (Cette fumée est étouffante) [1.3#157]
28  nahafaty ny jiro ny rivotra (Le vent a éteint la chandelle) [1.3#157]
29  mahafaty tena ho an’ ny zanany izy (Il se tue pour ses enfants) [1.3#157]
30  Tsy mahafaty ny mamba ny bala (Les balles ne peuvent tuer un caïman) [1.3#157]
31  Tsy hahafaty azy io aretina io (Cette maladie ne lui donnera pas la mort) [1.3#157]
32  Ny ranonorana no nahafaty io hosodoko io (La pluie a abîmé cette peinture) [1.3#157]
33  Inona no nahafaty io soratra io? (Qu’est-ce qui a effacé cette écriture?) [1.3#157]
34  nahafaty ariary telo aho tany an-tsena (J’ai gagné trois piastres au marché) [1.3#157]
35  Iza no nahafaty taminareo roa lahy? (Quel est celui de vous deux qui a gagné au jeu?) [1.3#157]
36  Inona no nahafaty ny herin' ity toaka ity? (Qu’est-ce qui a diminué la force de ce rhum?) [1.3#157]
Morphologie 
37  Présent :
38  Passé :
39  Futur :
40  Impératif :
Tous les mots composés  41  4 combinaisons de ce mot

Anagrammes  42 mahafaty, 43 mahatafy

Mis à jour le 2025/11/09