|
|
|
|

Entrée1  Ianareo ... izahay
Partie du discours  2  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  3  Littérature: poèmes
Auteur  4  Rakotomalala Henri
Texte complet 
5  Ianareo rorampison' Angavokely, 6  Izahay erikerik'Ankaratra, 7  Ka na tsy tondraka aza, 8  Mahavonto tany!
9  Ianareo mafikely lava taho, 10  Izahay vonin'avoko malefolefo; 11  Raha jejo loha ny any, 12  Izahay kely ihany fa mamerovero.
13  Tsy mitambitamby amin'ny tsimperifery izahay 14  Fa manana sakay tsara fefy; 15  Ary tsy mitomany volo oly 16  Fa manana mpandrandrana mahay.
17  Koa aza fady, Raondriana, 18  Fa raha safomorona ny fampitambazana, 19  Ny anay efa nitobaka ela; 20  Raha ritra ny rano tan-dobo, 21  Ny anay efa tsisy tavela. 22  Ny farihy tankina, hono, 23  Ny fotoka no manjaka; 24  Fa ny loharano an-dohasaha kosa, 25  Raha lasa ny iray, roa no avy mantsaka! 26  Koa kopa-damba malefaka no ataoko, 27  Fa raha hitsikitsika mahay mandihy ianareo, 28  Izahay voromanga mahay mihira, 29  Ka zato sy arivo manao " midira " 30  Na ny eto akaiky na an-dakira! 31  .....................
32  Ianareo haba ihaingoan'ny jefy, 33  Izahay volamena tsy mety lefy! 34  .....................
35  Koa samia masina an-taniny, 36  Fa ianareo vatosoa manja fanjelatra, 37  Izahay diamondra soa hazavana. 38  Koa veloma mahalankalana, Rasena, 39  Fa raha fintana tsy azo idirana ianareo, 40  Izahay tandroho tsara Jadina tsy azo resena !

Mis à jour le 2025/05/06