|
|
|
|

Entrée1  hozatra
Partie du discours  2  nom
Explications en malgache  3  [1.10#H.314] (Misy manao hoe ozatra , satria ny teny Malay niaviany dia urat; anefa ny misy h no efa raikitra ho teny malagasy, manaraka ny lalàn' ny fanakanbanan-teny. Ohatra: aretin-kozatra fa tsy aretin' ozatra, mitsangan-kozatra fa tsy mitsangan' ozatra, ets. Ary ny matoanteny hoe manozatra (fa tsy mankozatra) dia iray tarika amin' ny hoe manolatra (holatra ) fa tsy mankolatra), manelatra (helatra ) fa tsy mankelatra), ets. ...
4  [1.1] Teny nentin' ny ntaolo nilaza tsorian-javatra efatra karazana ao amin' ny tenan' ny olombelona na ny biby:
1) Karaza-nofo mitsiratsiraka toa tady kely izay mitambatra am-pehezany amin' ny tendrony ary mivelatra ho takelaka eo an-tenatenany ka mahay mampihetsika ny tena noho ny fahazoany mikainkona sy mitsotra: Mivonkin-kozatra aho rehefa mandeha elaela
2) Karazan-kofehy madinika fotsifotsy mitambatra nefa mivelatra mirantsana manarona ny lohataolana amin' ny famavany ka mahatonga ny taolana roa hihetsika (ohatra ny taolan-tsandry sy ny lantontsandry eo amin' ny kiho)
3) Lalan-dra: Misy marary hono, ny hoza-pon-drainy.
4) Ireo kofehy madinika kely fotsy mova tsy ny taretra fotsifotsy izay mitondra fandrenesana any amin' ny atidoha ary mitondra avy any kosa ny baiko fampihetsehana: Ny atidoha no ihaonan' ny hozatra rehetra / Voan' ny aretin-kozatra Rakoto no mahatonga ny tanany hangovitra ohatra io
Explications en français  5  [1.3#274] comme ozatra
Vocabulaire  6  Biologie
Dérivés 
7  Verbes actifs :
8  Noms :
9  Adjectifs :
Autres orthographes  10  ozatra
Mots composés 
Proverbes  23  Proverbes contenant le mot hozatra

Anagrammes  24  hazotra, hozatra

Mis à jour le 2023/10/30