|
|
|
|

Entrée1  Hiran-jaza kamboty
Partie du discours  2  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  3  Littérature: poèmes
Auteur  4  Andrianaly Alfred
Texte complet 
5  Misy maro izao mikalo, 6  Tsy mba manam-pahavalo; 7  'Zaho kosa toa mimalo, 8  Toa latsain'izay mandalo.
9  Ao ny revo mikorisa 10  Eny an-dalam-paradisa, 11  'Zaho kosa mitanisa 12  Fahorian-tsy hita isa!
13  Ao ny voky safosafo, 14  Hafalia-mitafotafo; 15  'Zaho kosa misakafo 16  Sady mandry tsy amin'afo!
17  Ao ny mbola velon-dreny, 18  Manan-dray hiteniteny ; 19  'Zaho kosa… voa dia eny: 20  Singan'olona manjeny .
21  'Zay tazaniko rehetra 22  Samy lavitry ny tsetra; 23  'Zaho kosa manjoretra 24  Sy mijaly an-tery setra !
25  'Ndreo ny vorona misiaka, 26  Miramirana sariaka; 27  'Zaho kosa toa mifiaka 28  Ranomaso be mandriaka!
29  'Rony kintana misosa, 30  Tsy mba manana mpifosa; 31  'Zaho kosa! 'zaho kosa 32  Mitanondrika fa osa!
33  Volana manatri-tava, 34  Taratry ny fo mazava; 35  'Zaho kosa maizin-dava, 36  Tojo ny oran-tsy misava!
37  Ô! ry lanitra ô, avoty 38  Fa mahantra ity kamboty! 39  Zazabodo diso angoty , 40  Vao nitsiry dia voaoty!
41  Satriko aza anio ihany 42  Dia hilaozana ny tany, 43  Ka hisidina hankany 44  'Lay Fanahy nosimbany.

Mis à jour le 2025/05/06