|
|
|
|

Entrée1  Hiram-betsovetso
Partie du discours  2  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  3  Littérature: poèmes
Auteur  4  Ny Avana
Texte complet 
5  Soratako ny hirako 6  Aty an-tsisin-tany 7  Ka izy no mba irako 8  Hanony izay tomany.
9  Ô! hira tsy marevaka 10  Fa kalon'olona ory; 11  Malako sy malefaka, 12  Fanaoko raha hatory.
13  Ka eo am-baravarana io 14  No maka rotsirotsy, 15  Injay manarangarana 16  Ny tara-bolafotsy,
17  Ny kintana eny an-danitra, 18  Indreo mangalahala; 19  Mitopy sady manitra 20  Ny rivotra ao an'ala.
21  Ny zava-manodidina 22  Manomboka ho sina; 23  Ny saiko, injay misidina, 24  Miakatra mangina!
25  Ka eny am-pitazanana 26  Ny zava-tsinjo eny, 27  Ny foko tsy haiko tanana, 28  Mivetso an'izy ireny!
29  Izato habakabaka 30  Mirentin-kazavana , 31  Madio mangabakabaka , 32  Tsy hita fiafarana!
33  Tsy azoko refesina, 34  Tsy takatry ny loha, 35  Fa satriko hoventesina, 36  Kaloiko mialoha.
37  Ny kintana alinalina, 38  Mambabo ny fanahy, 39  Mandravaka ny alina, 40  Manetsiketsika ahy!
41  Mba kely fa mamiratra 42  O! toy ny tamaboha , 43  Kanefa mampihiratra 44  Ny vetsovetson-doha!
45  Raha ory ny fisainana, 46  Banjiniko izy ireny: 47  Ny ora itarainana, 48  Mba lefy ho azy eny!
49  Raha vonto ny takolaka, 50  Na maloka ny tava, 51  Malemy sady folaka 52  Ny sento lalandava!
53  Ny volana zahavana: 54  Malefa-kafahafa, 55  Toa maso be fitiavana, 56  Maniry hifanantsafa .
57  Injay somparan-drahona 58  Ny tavany efa feno: 59  Izaho koa miahona, 60  Ny hirako tsy heno.
61  Tsaroako fa manjombona 62  Na izy na ny foko, 63  Satria izahay miombona, 64  Miara-mitakoko.
65  Matetika eo no lasana 66  Ny sentosentom-po! 67  Tadidy ny any am-pasana, 68  Ny tiana efa lo:
69  Ny kibo nifonosana, 70  Ny Dada niangotiana, 71  Ny zokiko nofosana, 72  Ny zandry kely tiana!
73  Dia tonga manororika 74  Itony maso itony! 75  Ny lohako miondrika, 76  Tsy mahatraka intsony!
77  Fa nony mangoratsaka, 78  Ka tsinjo ny hazavany, 79  Ny sento tafalatsaka 80  Misinda lavitra any!
81  Mazava mangorobaka 82  Tafiditra any am-po! 83  Ka hery be mitobaka 84  Mandroaka ny manjo!
85  Ny tsilo be maranitra 86  Manevika eto an-tany, 87  Dia hita fa io ny Lanitra, 88  Mpanafaka an'izany!
89  Impiry ny Fanahiko 90  Zay noratrain'ireny 91  No lasana nirahiko 92  Nandranto aina teny?
93  Ny Tany mihorakoraka 94  Raha lavony eo ianao! 95  Ny Lanitra mangoraka, 96  Manafy hery vao.
97  Ny maso ampakarina, 98  Ry havako tomany, 99  Lazaiko marimarina 100  Fa maina ho azy izany!
101  Fa tody izao ny irako 102  Taty an-dafin-tany; 103  Ka enga anie ny hirako 104  Hanony izay tomany!

Mis à jour le 2025/05/06