|
|
|
|

Entrée1  finoana
Radical  2 ino
Partie du discours  3  nom
Explications en malgache  4 fandraisana sy fanekena amim-pahatokiana an' Andriamanitra sy ny teniny ary ny fotondrany; -- fanekena sy fitokiana ho marina ny zavatra ambaran' olona , na ny fampanantenana omeny; -- fanekena amim-pahatokiana zavatra tsy hita maso, na ara-panahy, na tsy takatry ny saina, na tsy hay porofoina, nefa tsaorana ho misy, na ho marina. -- Miasa amin' ny zavatra rehetra momba ny fiainana andavanandro ny finoana. Indraindray dia vokatry ny fahitana sy ny fahalalana ny zavatra efa niseho teo aloha izy.... [1.10]
5 Fitokiana izay voalazan' olona iray: Ny tsy finoanao ny teniko ihany izao no nahavoa anao.
6 Herim-panahy mahatonga hino ny fisian-javatra tsy hita maso, noho ny filazan' Andriamanitra na ny irany: Tsara ny manana ny finoana nefa koa mbola tokony hampifanaraka aminy ny atao.
7 Foto-kevitra iompanan' ny fivavahana iray: Ny finoana kristianina. / Mampiely ny finoana. [1.1]
8 fandraisana sy fankatoavana hevitra na zavatra iray tsy ilana porofo fa atao tanteraka amin'ny fo tsy misy fihambahambana. [1.13]
Explications en anglais  9 faith, belief. [1.2, 1.7]
Explications en français  10 croyance. [1.3#172]
11 foi. [1.3#172, 1., 1.13.fr8]
Exemples  12  -Maha kely finoana ahy ny fahamarinany; [2.470]
13  Marina mafy tsy mahakelikely finoana amin' ny fiainana mihitsy izy ity! [2.4]

Anagrammes  14 afonina, 15 anafony, 16 fanoina, 17 fianona, 18 finoana, 19 foinana, 20 ifonana

Mis à jour le 2025/10/07