|
|
|
|

Entrée1  Etsy, matoria
Partie du discours  2  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  3  Littérature: poèmes
Auteur  4  Rado
Texte complet 
5  Anaka! 6  Etsy àry, matoria, ka dia manofisa mamy 7  ary akimpio ny maso...'ty ny tanako iondany! 8  I dada ity mandrotsirotsy, fa i neny efa trotraka 9  nitaom-biriky anikeo ary efa saiky potraka 10  noho ny haben'ny havizanany... 11  ka savolaina be ny tanany 12  Raha mingonongonona aho, aza atao manaitra anao 13  fa tsy momba anao akory izao ventesiko eto izao... 14  ...Isaorako aza Andriamanitra, raha tsy fantatrao akory 15  izay alehan'ny fisainako, 16  na izay adin'ny fiainako 17  feno zava-mifamaho mila tsy hahitako tory 18  efa an-taona maro izao! 19  ...Soa fa niafina aminao, 20  izany izaho mifoha maraina 21  mieritreritra ao an-tsaina 22  sy mitetika ny asa hamonoako ny masoandro 23  ho sakafontsika anio, na dia hoe indray mahandro... 24  ...Nefa ny hofan'ny sarety nitaterako aza mbola 25  notrosaiko tato atsimo...Nisy ihany mantsy vola 26  teo am-pelatanantsika, 27  nokendrena tsy hipika, 28  nefa lasan-dreninao hividianan-tapa-damba 29  hanapenana 'ty lobako...Ary ny ambiny, hono, angamba 30  raha misy dia hatao 31  akanjo anatiny ho anao 32  fa mamirifiry loatra ity ririnintsika ity! 33  ...Nefa, etsy, matoria, 34  fa hadalana ny an' i dada, resak'olona efa lanaka 35  ka ny adi-sainy indray no entiny hampatory zanaka... 36  ...Ts'hita mantsy, ry sombinaiko, 37  f'efa miady be ny saiko! 38  Rahampitso fotsiny aza:hifindra trano ny ato avaratra 39  ka izaho no hokaramainy...Mety ho vitan'io ny karatra! 40  Kanjo reko indray izao, fa ny lalana ho sakanana 41  rahampitso vao maraina...Hisy mantsy fitokanana 42  ato akaikintsika ato, ka ny sarety izay mandeha 43  dia havily avokoa fa handalo ireo Lehibe... 44  Ary izay 'lay mahavoa 45  sady mahavaky fo 46  ny mpitrongy tahaka anay ...Fa toa maro ny hetraketraka 47  tongatonga fotsiny eny, ka dia mahaketraketraka... 48  Nefa, etsy, matoria... 49  Mikimpia dia mikimpia... 50  Ary aza omenao tsiny Idada sy ny redirediny 51  F'efa tafahoatra loatra ny ahiahy sy tebitebiny... 52  ...Miondàna, sombinaina 53  eto am-poko be taraina. 54  Anaka! 55  Etsy àry, matoria, ka dia manofisa mamy 56  ary akimpio ny maso...'ty ny tanako iondany! 57  I dada ity mandrotsirotsy, fa i neny efa trotraka 58  nitaom-biriky anikeo ary efa saiky potraka 59  noho ny haben'ny havizanany... 60  ka savolaina be ny tanany 61  Raha mingonongonona aho, aza atao manaitra anao 62  fa tsy momba anao akory izao ventesiko eto izao... 63  ...Isaorako aza Andriamanitra, raha tsy fantatrao akory 64  izay alehan'ny fisainako, 65  na izay adin'ny fiainako 66  feno zava-mifamaho mila tsy hahitako tory 67  efa an-taona maro izao! 68  ...Soa fa niafina aminao, 69  izany izaho mifoha maraina 70  mieritreritra ao an-tsaina 71  sy mitetika ny asa hamonoako ny masoandro 72  ho sakafontsika anio, na dia hoe indray mahandro... 73  ...Nefa ny hofan'ny sarety nitaterako aza mbola 74  notrosaiko tato atsimo...Nisy ihany mantsy vola 75  teo am-pelatanantsika, 76  nokendrena tsy hipika, 77  nefa lasan-dreninao hividianan-tapa-damba 78  hanapenana 'ty lobako...Ary ny ambiny, hono, angamba 79  raha misy dia hatao 80  akanjo anatiny ho anao 81  fa mamirifiry loatra ity ririnintsika ity! 82  ...Nefa, etsy, matoria, 83  fa hadalana ny an' i dada, resak'olona efa lanaka 84  ka ny adi-sainy indray no entiny hampatory zanaka... 85  ...Ts'hita mantsy, ry sombinaiko, 86  f'efa miady be ny saiko! 87  Rahampitso fotsiny aza:hifindra trano ny ato avaratra 88  ka izaho no hokaramainy...Mety ho vitan'io ny karatra! 89  Kanjo reko indray izao, fa ny lalana ho sakanana 90  rahampitso vao maraina...Hisy mantsy fitokanana 91  ato akaikintsika ato, ka ny sarety izay mandeha 92  dia havily avokoa fa handalo ireo Lehibe... 93  Ary izay 'lay mahavoa 94  sady mahavaky fo 95  ny mpitrongy tahaka anay ...Fa toa maro ny hetraketraka 96  tongatonga fotsiny eny, ka dia mahaketraketraka... 97  Nefa, etsy,matoria... 98  Mikimpia dia mikimpia... 99  Ary aza omenao tsiny Idada sy ny redirediny 100  F'efa tafahoatra loatra ny ahiahy sy tebitebiny... 101  ...Miondàna, sombinaina 102  eto am-poko be taraina.

Mis à jour le 2025/07/29