Entrée elefanta
Partie du discours nom
Explications en malgache Biby makadiry indrindra amin' ny biby an-tanety, milanja hatramin' ny 5 taonina. (Ny elefanta izay tsy fahita afa-tsy any Afrika sy any Azia dia manan-koditra matevina; ny nifiny anoloana ambony dia miranirany lava lehibe ataony fiarovan-tena ary nomena anarana hoe vangin' elefanta; ny molony ambony kosa lava mitarozaka ka ampiasainy ho organa fandraisan-javatra; mety ho velona mandritra ny 100 taona ny elefanta) [1.1]
Explications en français éléphant [1.3]
Exemples 
1Tsy mba tongotr' elefanta ohatra ny fiteny intsony izany; [2.4]
2Ny rambony kosa dia fohy noho ny an' ny elefanta any Asia. [1.38]
3Ny elefanta no ampiasain-dry zareo Indianina hoenti-mamakivaky ireny ala ireny. [2.117]
4Izy no nitondra ilay sampy vato mitarehina elefanta ary atao hoe Vatolambo, izay mbola ao Ambohitsara mandraka androany. [2.508]
Vocabulaire 
Synonymes trepo
Origine Anglais: elephant. Français: éléphant.

Mis à jour le 2020/07/31