Joda Barsabasy. Isan' ny olona nanan-kaja teo amin'ny Fiangonana tao Jerosalema izy (Asa 15. 22), ary mpaminany koa
(and. 32). Izy sy Silasy no notendrena hiaraka tamin' i Paoly sy Barnabasy hitondra
ny taratasy avy tamin' ny konsilia tany Jerosalema ho any amin' ny Fiangonana tao
Antiokia, ete, hampahafantarana ny Jentilisa, izay efa tonga Kristiana, ny zavatra tokony hotandremany. Ary tsy dia nitondra ny
taratasy fotsiny ihany izy, fa «namporisika ny rahalahy tamin' ny teny maro koa,
ka nampahery azy » (and. 32). Rehefa nitoetra teo elaela ihany izy, dia «nampandehanin' ny rahalahy soa aman-tsara », ka dia
nody. Araka ny hevitry ny sasany, io Joda
Barsabasy io dia rahalahin' i Josefa Barsabasy voalaza eo amin' ny Asa 1. 23, nefa tsy
fantatra marina izany. [1.38]
|