|
|
|
|

Entrée (1/2)1  ataotaovy
Partie du discours  2  impératif du verbe passif ataotao [Liste complète]
Radical  3  tao
Explications en malgache  4  [1.1]
Explications en français  5  [1.3]
Tous les mots composés 

Entrée (2/2)7  Ataotaovy
Partie du discours  8  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Mots élémentaires  9  ataotaovy
Vocabulaire  10  Littérature: poèmes
Auteur  11  Dox
Editions 
Texte complet  13  Ataotaovy aho rey olona, fa mavesatra ny anjarako,
He ! malama anie ity lalako ka tsy misy hamaharako !
Kotsan'ny fitiavana aho ... kotsakotsa mahonena !
Ho dify ihany ilay malala ... toa dia vatranao jerena.

14  Ataotaovy aho ray olona, sao dia raraka tsy fidiny
Ny fitia nisahiranako ka dia hahitako ngidiny !
ny felan'ny tatamo ve hahatondrako rano mody ?
ny hetahetako avy eto dia tsy hisy fanafody !

15  Ataotaovy aho ray olona, tokana 'ty siny ity ...
Raha montsamontsana eto, ho entiko aiza ny fitia,
Mitondra tanam-polo, mangaina sy mangaihay !

16  Ataotaovy aho ray olona, sao tsy tratrako ity havako !
Mahazo an-kodimirana izy ka manahy ny fitiavako
sao tsy hahatratra azy ! He 'ty elanelanay !


Anagrammes  17 ataotaovy, Ataotaovy

Mis à jour le 2025/09/13