Entrée | 1 Hiram-betsovetso |
Partie du discours | 2 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Vocabulaire | 3 Littérature: poèmes |
Auteur |
4 Ny Avana |
Texte complet |
5 Soratako ny hirako 6 Aty an-tsisin-tany 7 Ka izy no mba irako 8 Hanony izay tomany. 9 Ô! hira tsy marevaka 10 Fa kalon'olona ory; 11 Malako sy malefaka, 12 Fanaoko raha hatory. 13 Ka eo am-baravarana io 14 No maka rotsirotsy, 15 Injay manarangarana 16 Ny tara-bolafotsy, 17 Ny kintana eny an-danitra, 18 Indreo mangalahala; 19 Mitopy sady manitra 20 Ny rivotra ao an'ala. 21 Ny zava-manodidina 22 Manomboka ho sina; 23 Ny saiko, injay misidina, 24 Miakatra mangina! 25 Ka eny am-pitazanana 26 Ny zava-tsinjo eny, 27 Ny foko tsy haiko tanana, 28 Mivetso an'izy ireny! 29 Izato habakabaka 30 Mirentin-kazavana , 31 Madio mangabakabaka , 32 Tsy hita fiafarana! 33 Tsy azoko refesina, 34 Tsy takatry ny loha, 35 Fa satriko hoventesina, 36 Kaloiko mialoha. 37 Ny kintana alinalina, 38 Mambabo ny fanahy, 39 Mandravaka ny alina, 40 Manetsiketsika ahy! 41 Mba kely fa mamiratra 42 O! toy ny tamaboha , 43 Kanefa mampihiratra 44 Ny vetsovetson-doha! 45 Raha ory ny fisainana, 46 Banjiniko izy ireny: 47 Ny ora itarainana, 48 Mba lefy ho azy eny! 49 Raha vonto ny takolaka, 50 Na maloka ny tava, 51 Malemy sady folaka 52 Ny sento lalandava! 53 Ny volana zahavana: 54 Malefa-kafahafa, 55 Toa maso be fitiavana, 56 Maniry hifanantsafa . 57 Injay somparan-drahona 58 Ny tavany efa feno: 59 Izaho koa miahona, 60 Ny hirako tsy heno. 61 Tsaroako fa manjombona 62 Na izy na ny foko, 63 Satria izahay miombona, 64 Miara-mitakoko. 65 Matetika eo no lasana 66 Ny sentosentom-po! 67 Tadidy ny any am-pasana, 68 Ny tiana efa lo: 69 Ny kibo nifonosana, 70 Ny Dada niangotiana, 71 Ny zokiko nofosana, 72 Ny zandry kely tiana! 73 Dia tonga manororika 74 Itony maso itony! 75 Ny lohako miondrika, 76 Tsy mahatraka intsony! 77 Fa nony mangoratsaka, 78 Ka tsinjo ny hazavany, 79 Ny sento tafalatsaka 80 Misinda lavitra any! 81 Mazava mangorobaka 82 Tafiditra any am-po! 83 Ka hery be mitobaka 84 Mandroaka ny manjo! 85 Ny tsilo be maranitra 86 Manevika eto an-tany, 87 Dia hita fa io ny Lanitra, 88 Mpanafaka an'izany! 89 Impiry ny Fanahiko 90 Zay noratrain'ireny 91 No lasana nirahiko 92 Nandranto aina teny? 93 Ny Tany mihorakoraka 94 Raha lavony eo ianao! 95 Ny Lanitra mangoraka, 96 Manafy hery vao. 97 Ny maso ampakarina, 98 Ry havako tomany, 99 Lazaiko marimarina 100 Fa maina ho azy izany! 101 Fa tody izao ny irako 102 Taty an-dafin-tany; 103 Ka enga anie ny hirako 104 Hanony izay tomany! |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |