Explications en malgache | Antoine de Padoue Rahajarizafy (1911-1974) Teraka tao Antananarivo tamin'ny 7 avril 1911;
rainy, J.-B. Rahajarizafy, anisan'ny mpanoratra malaza
tamin'ny androny. Tao amin-dry Frères des Ecoles Chrétiennes
tao Andohalo (1918-1920) sy tao amin'ny Collège Saint-Michel
(1921-1923) no nianatra talohan'ny nidirany tao amin'ny
Petit Séminaire tao Ambohipo; nanohy ny fianarany sy ny fiomanany
ho Pretra hatrany; nohamasinina ho Pretra tamin'ny 1941.
Anisan'ny ny nanetsika azy handalina ny teny sy ny fahendrena malagasy,
dia ny fahitany fa tsy mba nampianarina araka ny tokony ho izy ny teny,
ny literatiora, ny tantara... malagasy. Teo am-piomanana
ho pretra, nahatsapa koa fa tsy hiorim-paka ny fivavahana kristianina
raha tsy aorina amin'ny tena maha-malagasy ny Malagasy ny fampidirana
sy ny fampianarana ny fivavahana. Anisan'ny nanaitra azy indrindra
tamin'ny boky novakiny: Gandhi, Tagore, Confucius, Descartes, Bergson...
Nisahana raharaha maro: nampianatra, nikarakara ny Tanora, nikarakara
ny famoianarana katolika teto Antananarivo, lehiben'ny
Petit Séminaire, Curé ao Ambatonilita. [2.298]
|