| Fidelis-Justin Rabetsimandranto dia
teraka tao Antananarivo tamin'ny taona 1907, volana Oktaobra ary nodimandry tamin'ny volana Aogositra 1966.
Tao Mananjara, vohitra kely naorin'Andrianampoinimerina tany an-tendrony, ao ambany atsimon'Ambohijanahary, no akany nahitany masoandro.
Ny razambeny dia anisan'ireo " Valopololahy " sy " Valopolovavy " nafindran'ny Ombalahibemaso fonenana tao.
Tao amin'ny Sekolim-panjakana tao Fiadanana no nanombohan-dRabetsimandranto nianatra, dia nifindra tao amin'ny "Ecole-Supérieure " tao Faravohitra izy, ary avy ao dia niditra ho kilasimandry tao amin'ny " Collège Saint-Michel" Amparibe;
dia tao no nianarany nandritra ny efa-taona ka nahazoany ny diplaoman'ny fahazoa-mampianatra.
Nony nivoaka ny fianarana izy, tamin'ny taona 1925, noho ny talenta hita taratra nananany tamin'ny fanoratana, dia nangatahina mba ho isan'ny Mpanoratra amin'ny " Feon'ny Marina " , ka dia tao no nanombohany ny asany voalohany amin'ny soratra ary nahalalan'ny maro ny hakanton'ny diam-peniny mitondra ny solon'anarana hoe:
Fidelis-Justin, "anarana indrana" nentiny mandra-pahafatiny.
Ny poezia no isan'ny soratra nahavanana azy sy nankafiziny fatratra ary nokaliny sy nanorenany fo tokoa.
Raha vao herintaona monja no nanoratany an-gazety, dia namoaka ho boky ny asany voalohany izy, izay nomeny anarana hoe "Fehezam-boninkazo" , tononkalo mirindra sy feno aingam-panahy ambony ka toa niavaka tamin'ny asa soratra fahita tamin'izany andro izany.
Hatramin'io taona 1926 io, dia tsy nitsahatra ny nanoratra i Fidelis Justin Rabetsimandranto, ary nifototra tamin'ny literatiora ka ny amboaran-tononkalo sy tantara poezia vitany hatramin' izay dia miisa amin-jatony;
ny tantara foronina, enina ambin'ny folo;
ny tantara fampisehoana, enina;
ny Vako-drazana, enina, ka anisan'ireo ny "Kabary taloha sy ankehitriny ". [2.314]
|