|
|
|
|

Entrée loholona (loha, olona)
Partie du discours nom
 (tokony ho loh' olona no fanoratana azy nefa efa raikitra mihitsy ny manambatra azy ho teny iray) olona lehibe efa mato-tsaina, tsara toetra eo amin' ny tany ama-monina, mahatoky ary hendry amin' ny fanaovan-draharaha sy amin' ny fitondrana olona, ka to teny sy hajaina eo amin' ny tanàna sy ny fokonolona. Ny tena anjara toerany dia ny mitarika ny fivoriana fiaraha-mihevitra ny raharaham-panjakana sy ny raharaham-pokonolona, ny mandrindra sy mandamina y fifanolanana eo amin' ny fianakaviana na ny mpiray fileovana, ny mitarika ny adidy amana asa fanasoavam-bahoaka, na ny momba ny vola izany na ny asa-tena atao... [1.10]
 Fitambaran' ireo lehibe mpikarakara (izay atao koa hoe Ray aman-dreny) ao amin' ny fokonolona na fiangonana [1.1]
 Fitambaran'ireo zokiolona to teny eo amin'ny fokonolona [1.13]
 Patriarche, sages du village, notables
Sénateur [1.13]
Vocabulaire 
Exemples 
1Ny ray aman-dreny sy ny loholona no tompon'adidy amin'ny. [2.588]
2Isam-bohitra koa anefa dia nisy vadintany sy loholona nitondra ny Fokonolona. [2.113]
3Izahay ihany, hoy ilay letrezana izay fantany tsara fa an'ny loholona tao an tanàna. [2.895]
Article 

Mis à jour le 2022/07/30