[hahatonga ] mosary  eo amin'ny olona. » Tsy misy fiarovan-tena mba azony atao raha ny kometa no miseho fa dia miandry fotsiny izao mandra-pahatongan’izay hihatra.

Izany rehetra izany ary ny amin'ny finoan’ny fambara, na izay hita eo amin'ny lanitra na izay hita eto ambonin’ny tany, ka tena mampalahelo tokoa ny mbola maizin-tsaina fa mandry be ahiahy. 

Toko IX : Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy

1- Ny mpampianatra sy ny fampianarany

Tsy misy mpampianatra voatokana hampianatra ny ankizy ny amin'ny finoana, fa ny ray aman-dreny tsirairay no samy mampianatra ny zanany avy. Mahate-hidera ny Bara raha ny fahazotoany hampianatra [ny zanany ]