|
|
|
|

Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 103 Takila 105 ->

 (h)ianareo, ny zoky mitezà tsara ny madinika, fa ianareo no solofoko hitaiza hikarakara azy afara. Ianareo madinika aza midongidongy raha irahiny. Ny amin'ny omby sy ny lamba hifonosako dia arak’izay ataonareo ihany. Nefa tsarovy fa hamelona kamboty ianareo ka aza lanina daholo ireo omby ireo. » Rehefa afaka andro vitsivitsy aorin’izay dia maty izy ka lasa amim-panantenana ho any Amboromena, nefa hihaona ihany amin'ny razana sy ny fianakaviana efa maty any an-danitra.

Ny sasany kosa saro-piala aina eo am-paharariana fa mijalijaly mandritra ny iray na roa andro.Te-hitondra omby hono izy, ka izany no anton’ny tsy ahafatesany vetivety. Koa dia amonoana omby ao atsinanan ’ny trano. Raha mandre ny fibararaoky ny omby hono izy dia maty miarak’amin'izay []


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany