Index

Proverbes : ranomasina

Proverbe Be ny riaka, tsy tambo ny ranomasina : izay misy harana my no malaza. [Samson 1965 #B6]

Proverbe Jebojebo nihoa-dranomasina, masovoatoaka nanova siranana : manova aminahy anovako koza. [Samson 1965 #J1]

Proverbe Mainka izany raha ranomasina, ranom-potaka aza manonja. [Rajemisa 1985]
Interprétation malgache Enti-milaza ny olona matin-kambo be loatra; zavatra kely iny dia mampibontsina azy izaitsizy, hanao ahoana izany raha zavatra lehibebe kokoa no sendra azy? [Rajemisa 1985]
Fiteny enti-maneso ireo be hambohambo foana amin' ny zavatra tsinontsinona. [Rajemisa 1985]

Proverbe Manao lian-dranomasina : mandeha, fa mbola ho avy. [Veyrières 1913 #5857]
Traduction française Désirer à la façon de la mer : elle s' en va, mais elle reviendra. [Veyrières 1913 #5857]
Interprétation française Proverbe betsimisaraka. [Veyrières 1913 #3110]

Proverbe Ny ranomasina no ho valam-parihiko. [Veyrières 1913 #304]
Ny riaka no valam-parihiko. [Veyrières 1913 #304]
Traduction française La mer est ma frontière. [Veyrières 1913 #304]
Interprétation française Paroles du roi Andrianampoinimerina pour dire qu'il voulait régner seul et étendre ses conquêtes dans l' île. [Veyrières 1913 #304]

Proverbe Papango mipaoka an-dranomasina : mipaoka an-tanin' olona. [Veyrières 1913 #4313, Rinara 1974 #3480, Cousins 1871 #2593]
Traduction française Oiseau de proie papangue qui enlève une proie sur mer : il prend sur le terrain d' autrui. [Veyrières 1913 #4313]
Interprétation française Se disait de deux rusés ou de deux voleurs. [Veyrières 1913 #4313]

Proverbe Ranomasina nasaok’ abidy : lasana my fa nahazahoana. [Samson 1965 #R39]

Proverbe Ranomasina tsara tsinjovina; fanahim-bady tsara tsy hita. [Samson 1965 #R40]

Proverbe Tsara lanitra karaha ranomasina. [Samson 1965 #T135]

Index