Index

Proverbes : mpilaza

Proverbe 1Mahantra lahy : fa mahery tsy ambinim-babo : malemy fanahy tsy misy mpankasitraka ; manao soa tsy manana mpilaza. [2.653 #1408]
Mahantra lahy fa mahery tsy ambinim-babo, malemy fanahy tsy misy mpankasitraka, manao soa tsy misy mpilaza. [2.558 #124]

Proverbe 2Na manga aza ny voantay, tsy mba nisain' ny olona ho tsikovoka akory. [2.558 #2726]
Tsy misy manga noho ny voantay ; fa ratsy mpilaza, ka tsy mba nisain' ny olona ho tsikovoka. [2.415 #3085]
Tsy misy manga noho ny voantay, fa ratsy mpilaza ka tsy nisain' ny olona ho tsikovoka. [2.558 #4729]
Traduction françaiseRien n' est aussi beau qu'un bousier mais parce qu' on a mal parlé de lui, il n' est pas compté parmi les dytiques. [2.415 #3085]
Interprétation françaiseSe disait des gens qui ont mauvaise réputation. [2.415 #3085]

Proverbe 3Ny mpilaza mahay, ny valala misy rahateo. [2.558 #3163]
Ny valala misy rahateo; ny mpilaza mahay koa. [2.165 #1601, 2.653 #2463]
Traduction françaiseDes sauterelles, il y en a; et celui qui en parle le fait avec brio. [2.165 #1601]

Proverbe 4Ny valala mameno tanety, ny zavona mameno lohasaha, fa ny mpilaza mahay rahateo. [2.558 #3351]

Proverbe 5Tsy misy manga noho ny voantay ; fa ratsy mpilaza, ka tsy mba nisain’ ny olona ho tsikovoka. [2.653]

Index