Index

Proverbes : mpanao

Proverbe 1Fihavanana tsy maharitra toy ny an' ny mpanao antsojay. [2.558 #1167]

Proverbe 2Manao levenam-bola tandrifi-masoandro, toy ny mpanao antsojay. [2.558 #2005]
Manao levenam-bola tandrifin' ny masoandro. [2.415 #6118, 2.653 #1549]
Traduction françaiseAgir au hasard comme celui qui enterre son trésor en face du soleil, où il n' est pas en sûreté. [2.415 #6118]

Proverbe 3Manjohijohy miditra tsy misy mpanao mandrosoa, toy ny totozy kely miditra an-davaka. [2.415 #4048]
Manjohizohy miditra tsy misy mpanao mandrosoa, toy ny totozy kely miditra an-davaka. [2.653 #1623, 2.558]
Traduction françaiseEntrer dans une maison à petits pas pressés en baissant la tête sans trouver quelqu' un qui vous dise : entrez, c' est faire comme la souris qui entre dans le trou. [2.415 #4048]

Proverbe 4Moa ny somisi-tanana dia mpanokona ary ny mpandeha maro mpanao be hariva? [2.558]
Moa ny somisi-tanana dia mpanokona ? Moa ny mpandeha maromaro dia mpanao behariva ? [2.415 #1667, 2.653 #1931]
Traduction françaiseEst-on cuisinier, parce qu'on a la peau des mains qui s' écaille et se soulève? appartient-on à une bande de détrousseurs de nuit, parce qu' on va en bandes nombreuses? [2.415 #1667]
Interprétation françaiseIl ne faut pas se fier aux apparences. [2.415 #1668]

Proverbe 5Mpanao soa am-po ka ihandronan' ny tsiny. [2.558 #166]

Proverbe 6Mpanao soa am-po mahazo tombony : avo roa toko ny fiadanam-po. [2.558 #2580]

Proverbe 7Mpanao soa matiantoka : ny eritreritra maivana fa ny loha no manelo. [2.558 #2581]

Proverbe 8Ny manao ratsy no vaky vilany, ka ny manao soa no mahandro aman-tavy. [2.415 #5963, 2.653 #2319]
Ny mpanao ratsy no vaky vilany, ka ny mpanao soa no mahandro aman-tavy. [2.558 #3156]
Traduction françaiseCe sont les méchants qui ont leur marmite brisée, et les bons qui font la cuisine dans les têts de pots. [2.415 #5963]
Interprétation françaiseProverbe expressif de la méchanceté et de la bonté. [2.415 #5963]

Proverbe 9Ny tafy soratra hanin' ny mpiandry sy ny mpanao sofina. [2.415 #240]
Traduction françaiseLes boeufs du souverain, quand ils sont tachetés d'une manière disparate, sont la part des gardiens et de ceux qui les marquent aux oreilles. [2.415]

Proverbe 10Vitsy mpanao Ineny toa momba. [2.558 #4959]

Index