Index

Proverbes : mipaoka

Proverbe 1Natao hitsikitsika hivavahana, kanjo voromahery hipaoka ny akoho. [2.165]
Natao ho hitsikitsika hivavahana, kanjo hay papango nipaoka ny akohokely. [2.558 #2757]
Natao ho hitsikitsika hivavahana, kanjo voromahery nipaoka ny akoho. [1.1]
Natao kitsikitsika hivavahana, kanjo manjary voromahery nipaoka ny akohokely. [2.653 #2093]
Interprétation malgacheEnti-milaza olona namoa-doza. [1.1]
Traduction françaiseOn le prenait pour une crécerelle que l' on prie, et c' était un faucon ravisseur de poules. [2.165]

Proverbe 2Ny saina toy ny farango, raha tsotra loatra tsy mahazo, raha melo-doatra mipaoka ny tokony tsy hopaohina. [2.558 #3234]
Ny saina toy ny havitra: koa raha tsotra loatra, tsy mitondra; ary raha melo-doatra, mipaoka izay tsy hopaohina. [2.165 #2176]
Traduction françaiseL' esprit (ou l' intelligence) est comme une broche: s' il est trop simple (litt. droit), il n' attrape rien; et s' il est trop recourbé, il emporte (Litt. rafle) ce qui ne devrait pas être emporté. [2.165]

Proverbe 3Ny trosa toy ny rambondanitra : kely atahorana hipaoka ny lamba, lehibe ahina handrodana ny trano. [2.558]

Proverbe 4Ohatra ny hoditra atono, may vao mipaoka ny lavenona. [2.653]
Ohatra ny hoditra atono, may vao mipoaka. [2.558]

Proverbe 5Papango fotsy elatra : tsy mipaoka ny an' olona ary tsy paohin' ny an' olona. [2.558 #3476]
Papango fotsy elatra: tsy mipaoka olona, tsy paohin’ olona. [2.653 #2591]

Proverbe 6Papango mipaoka an-dranomasina : mipaoka an-tanin' olona. [2.415 #4313, 2.558 #3480, 2.653 #2593]
Traduction françaiseOiseau de proie papangue qui enlève une proie sur mer : il prend sur le terrain d' autrui. [2.415 #4313]
Interprétation françaiseSe disait de deux rusés ou de deux voleurs. [2.415 #4313]

Proverbe 7Vorondolo miseho andro, ka izay mahita mipaoka avokoa. [2.415 #179, 2.558 #5045, 2.653 #3748]
Traduction françaiseHibou qui se montre le jour : tous ceux qui le voient, fondent sur lui. [2.415 #179]
Interprétation françaiseCe proverbe se disait par exemple des sorciers honnis de tout le monde, car le hibou était censé l' oiseau des sorciers parce qu' il sort la nuit ; on l' appliquait à tout ce qui faisait horreur. [2.415 #179]

Index