Index

Proverbes : manandroa

Proverbe Izay mahay manana dia manana indroa, fa izay tsy mahay manana, dia foan-tanana. [Veyrières 1913]
Izay mahay manana dia manan-droa, fa izay tsy mahay manana, dia foana avokoa. [Veyrières 1913]
Izay mahay manana dia manan-droa; fa raha tsy mahay manana dia foana avokoa. [Cousins 1871 #1185]
Izay mahay manana, manan-droa; fa raha tsy mahay manana, ny tanan-droa foana avokoa. [Houlder 1895 #754]
Izay mahay manana, manan-droa, fa raha tsy mahay manana, votso-droa. [Rinara 1974 #1497]
Raha mahay manana, manan-droa; fa raha tsy mahay manana, votso-droa. [Rajemisa 1985]
Raha mahay manan-droa, fa raha tsy mahay foan-tanan-droa. [Rinara 1974]
Interprétation malgache Enti-mampitandrina an' ireo be faniriana loatra ta hahazo betsaka amin' izay ataony nefa mety tsy hahazo na iray amin' iteo aza. [Rajemisa 1985]
Enti-milaza olona be famaritra loatra ka mety hahazo betsaka na tsy hahazo na inona na inona akory. [Rajemisa 1985]
Traduction française Ceux qui savent tirer parti de ce qu' ils ont le possèdent à double, mais ceux qui ne le savent pas perdent bientôt tout. [Houlder 1895]
Savoir garder ce qu' on a et en profiter, c' est le posséder deux fois ; ne pas savoir, c' est le posséder inutilement. [Veyrières 1913 #2191]

Proverbe Saro-po manan-tokana, ka tsy manan-droa hamolahana. [Houlder 1895 #1800, Cousins 1871 #2870]
Saro-po manan-tokana, ka tsy misy hamolahana. [Rinara 1974 #3847]
Traduction française Un homme violent qui n'a qu' une femme, et il n' en a pas deux qu' il pourrait mater plus aisément. [Houlder 1895]
Interprétation française En les rendant jalouses l' une de l' autre. [Houlder 1895]

Index