Index

Proverbes : malaina

Proverbe Akory ilay malaina: asaina miasa lohataona, manao hoe vaky lafika aho; asaina manosy fahavaratra, mararin' ny tazo aho; avela an-tanàna, tsy mahamasa-kanina. [Houlder 1895]
Akory ity ilay malaina : asaina miasa lohataona, milaza ho vaky lafika; asaina manosy fahavaratra, milaza ho mararin' ny tazo; avela an-tanàna tsy mahamasa-kanina. [Rinara 1974 #94]
Traduction française Regardez-moi ce paresseux: on veut le faire bêcher au printemps, il dit qu' il a des crevasses aux pieds; on veut le faire piétiner les rizières en été, il prétend avoir la fièvre; on le laisse au village, il ne peut pas même cuire les repas. [Houlder 1895]

Proverbe Akory ity ilay malaina no mitarehin-jaza aizana ka mavozon' ny haka-moana mararin' ny tazon' ny fahalainana ary mitarehim-balala maty. [Houlder 1895 #712]
Traduction française Regardez-moi ce paresseux qui a l' air d' un petit enfant malade et qui est éreinté de paresse: il est malade de la fièvre de paresse et ressemble à une sauterelle morte. [Houlder 1895]

Proverbe Aza malaina fa ny mosary indray maraina aza tsy efa fotsiny. [Rinara 1974 #472]
Aza malaina manao zavatra; fa ny mosary indray maraina tsy efa foana. [Houlder 1895 #680]
Ny mosary indray maraina aza tsy efa foana. [Rinara 1974 #3155]
Ny mosary indray maraina tsy efa foana. [Cousins 1871 #2353]
Traduction française Ne soyez pas paresseux; car quand la famine règne il est difficile de trouver à manger, même pour une seule matinée. [Houlder 1895]

Proverbe Diaso ka diaso reniben’ angoly; diaso koa maloha naman’ ny malaina; alohaloha fandiny naman’ ny fandao. [Samson 1965 #D1]

Proverbe Malaina hatry ny fahazaza, ka ory mandraka antitra. [Rinara 1974 #1926]

Proverbe Mandehana dieny malaina, fa raha mazoto tsy afaka. [Cousins 1871 #1582]
Mandehana dieny malaina, fa raha mazoto tsy afaka intsony. [Houlder 1895 #677]
Mandehana dieny malaina, fa rehefa mazoto tsy afaka intsony. [Rinara 1974]
Mandehana dieny mbola malaina fa rehefa mazoto tsy afaka intsony. [Rajemisa 1985]
Miasà dieny malaina, fa raha mazoto tsy afaka intsony. [Nicol 1935 #399]
Interprétation malgache Entina hampirisihana olona hanao asa na dia malaina aza, fa rehefa mazoto, sao dia tsy hanampotoana na tsy ho afaka hanao indray. [Rajemisa 1985]
Traduction française Allez tandis que vous n' y êtes guère disposé, car quand vous le serez, peut-être que vous ne pourrez plus le faire. [Houlder 1895]
Travaillez malgré votre indisposition; car lorsque viendra l’entrain, vous n’en aurez plus le moyen. [Nicol 1935 #399]

Proverbe Manongotsongo ny maty malaina handevim-belona. [Samson 1965 #M64]

Proverbe Ny lohataona toy ny voahangy raraka, fa mahabe torimaso ny malaina. [Rinara 1974 #3086]

Proverbe Ny zina tsy an' ny malaina. [Rinara 1974 #3383]

Proverbe Tanimbarin--dRalaikamo : rano fotsy mangeniheny, tsiparifary mandifotra olona. [Veyrières 1913 #3975]
Tanimbarin' ilay kamo, ka rano fotsy mangeniheny. [Veyrières 1913 #3974]
Tanimbarin’ ilay kamo : rano fotsy, mangeningenina ; harefo, mahadifotra olona. [Cousins 1871 #3010]
Tanimbarin' ilay kamo: rano fotsy mangeningenina; harefo mandifotra olona. [Houlder 1895]
Tanimbarin' ilay kamo : rano fotsy no mangeniheny, vohitr' ilay malaina : fandrodahy am--baravarana ihany. [Rinara 1974 #261]
Traduction française La rizière d' un paresseux: elle est couverte d' eau stagnante, et de joncs plus hauts qu' un homme. [Houlder 1895]
Visitez la rizière du paresseux : c' est un marécage. [Veyrières 1913 #3974]
Visitez la rizière du paresseux : elle est devenue un marais et les joncs ont la hauteur d' un homme. [Veyrières 1913 #3975]

Index