Index

Proverbes : felatanana

Proverbe 1Aza misolo voina ny akalana ka miteti-kena ambony fe. [2.558 #778, 2.653 #639]
Aza misolo voina ny akalana ka miteti-kena ambonin' ny fe. [2.165 #1094]
Mandidy hena ambony fe ka misolo vaika ny akalana. [2.558 #2067]
Misolo voina ny akalana ka mikapa hena ambony fe. [1.1]
Misolo voina ny akalana, ka mikapa hena ambony lohalika. [2.415]
Misolo voina ny akalana, ka mitetika ambony felatanana. [2.415]
Misolo voina ny akalana: mitetika ambony fela-tanana. [2.653 #1837]
Misolo voina ny akalana ve no miteti-kena ambony felatanana? [2.558]
Saro-po amin' akalana, ka miteti-kena ambony felantanana. [2.558]
Interprétation malgacheEnti-milaza ny olona manao mosalahy izay tsy manahy kely akory ny zavatra mety hahavoa azy. [1.1]
Traduction françaiseÉpargner le billot et découper la viande sur le genou ou sur la paume de la main. [2.415 #3856]
Ne prenez pas la place du hachoir en découpant la viande sur votre cuisse. [2.165]
Interprétation françaiseSe disait des gens qui s'exposent au malheur ou subissent un préjudice, en se portant caution pour d' autres ou en cherchant à les protéger. [2.415 #3856]

Proverbe 2Dobo solom-pitaratra sy felatanan’ ny ory sy totohondrin’ ny osa, trano be fihantonan’ ny amponga, dadan’ ny maro. [2.974 #12]
Traduction française(Soyez) La nappe d’eau qui fait office de miroir, la main ouverte aux indigents, le poing qui protège les faibles, la salle où l’on suspend les tambours, le père de la multitude. [2.974 #12]

Proverbe 3Hianao (anie) no papango sasaky ny vorona, ankihibe mahaleo ny an-tsasany, felatanana mangaika ny rantsana. [2.653 #1063]
Hianao no papango sasaky ny vorona, ankibe mahaleo ny antsasany, felan-tana-mangaika ny rantsana. [2.558]
Hianao no papango sasaky ny vorona, ankihibe mahaleo ny an-tsasany, felatanana mangaika ny rantsana. [2.974]
Hiano no papango sasaky ny vorona, ankibe mahaleo ny an-tsasany, felatanana mangaika ny rantsana. [2.415 #636]
Traduction françaiseVous êtes le papango prince des oiseaux, le pouce qui fait la moitié du travail, la paume de la main où aboutissent les doigts. [2.974 #342]
Vous êtes l' oiseau de proie papangue qui est la moitié de la gent ailée, vous êtes le pouce qui vaut la moitié de la main, vous êtes la paume de la main qui réunit les doigts. [2.415 #636]
Interprétation françaiseC' est de vous que dépend toute l' affaire ; paroles qu'on disait aux grands et aussi aux prétentieux. [2.415 #636]

Proverbe 4Hianao no dobo solom-pitaratra, felan-tanan' ny ory sy totohondrin' ny osa, ary trano be fihantonan' ny amponga sy dadan' ny maro. [2.558]
Hianao no dobo solom-pitaratra, sy felatanan' ny ory, sy toto-hondrin' ny osa, tranobe fihantonan' ny amponga, dadan' ny maro. [2.415 #812, 2.653 #1061]
Traduction françaiseVous êtes le réservoir d' eau qui tient lieu de miroir, vous êtes la main des malheureux et le poing des faibles, vous êtes la grande case où le tambour est suspendu, vous êtes le père de beaucoup. [2.415 #812]
Interprétation françaiseCes paroles se disaient des protecteurs et des bienfaiteurs. [2.415 #812]

Proverbe 5Manao felan-tanam-papango : tsy maka an-kamorana fa maka an-kasarotana. [2.558]
Manao felatanam-papango, ka tsy maka an-kamorana, fa maka an-kasarotana. [2.653 #1531]

Proverbe 6Ny felatanana mangaika ny rantsana. [2.415 #5204, 2.653 #2224, 2.558]
Traduction françaiseLa paume de la main relie les doigts. [2.415 #5204]
Interprétation françaiseSe disait d' une personne influente qui fait l'union. [2.415 #5204]

Proverbe 7Saro-po amin’ akalana, ka miteti-koditra amin-tanana. [2.653 #2869]
Misolo voina ny akalana : mitetika ambony fela-tanana. [2.653 #2869]

Proverbe 8Tsy misy hazo baka mahatohana ny lanitra, na be felantanana mahatakona ny masoandro. [2.558]
Tsy misy hazo baka mahatohana ny lanitra, na befelatanana mabatakona ny masoandro. [2.974 #81]
Tsy misy hazo baka mahatohana ny lanitra, na be felatanana mahatakona ny masoandro. [2.415 #3155, 2.653 #3515]
Traduction françaiseAucun bâton fourchu ne peut soutenir le ciel; aucune feuille de latanier ne peut cacher le soleil. [2.974 #81]
Il n' y a pas d' arbre fourchu qui puisse soutenir le ciel, ni d' homme qui ait les mains assez larges pour cacher le soleil. [2.415 #3155]

Index