<-
->

Nom / Fan 17:13 Whosoever cometh any thing near unto the tabernacle of the Lord shall die: shall we be consumed with dying? Dia nijanona teo anelanelan' ny maty sy ny velona izy, ka dia nitsahatra ny areti-mandringana. Ary izay efa matin' ny areti-mandringana dia fiton-jato amby efatra arivo sy iray alina, afa-tsy izay efa maty noho ny amin' i Kora. Ary Arona niverina ho eo amin' i Mosesy teo anoloan' ny varavaran' ny trano-lay fihaonana; ary ny areti-mandringana dia nitsahatra. Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Mitenena amin' ny Zanak' Isiraely, ka analao tehina iray avy araka ny fianakaviany izy, ka ny lohan' ny fireneny rehetra araka ny fianakaviany avy no hanalana azy, dia tehina roa ambin' ny folo; ary samy soraty eo amin' ny tehiny avy ny anaran' izy rehetra. Fa ny anaran' i Arona no hosoratanao amin' ny tehin' i Levy; fa tehina iray avy no ho an' ny lohan' ny fianakaviany. Dia hataonao ao amin' ny trano-lay fihaonana ireo, dia eo anoloan' ny Vavolombelona, izay ihaonako aminareo. Ary ny tehin' ny lehilahy izay hofidiko dia hitsimoka; ka dia hampanginiko ny fimonomononan' ny Zanak' Isiraely amiko, izay imonomononany aminareo. Ary Mosesy dia niteny tamin' ny Zanak' Isiraely, ka ny lohan' ny firenena dia samy nanatitra tehina iray avy teo aminy araka ny fianakaviany, dia tehina roa ambin' ny folo; ary ny tehin' i Arona dia teo afovoan' ireo tehiny ireo. Dia napetrak' i Mosesy teo anatrehan' i Jehovah, dia tao amin' ny trano lain' ny Vavolombelona ireo tehina ireo. Ary nony ampitso dia niditra tao amin' ny trano-lain' ny Vavolombelona Mosesy, ary indro fa nitsimoka ny tehin' i Arona, izay ho an' ny taranak' i Levy, dia nanaroka sy namony ka namoa amygdala. Dia nentin' i Mosesy nivoaka hiala eo anatrehan' i Jehovah ny tehina rehetra, ho eo amin' ny Zanak' Isiraely rehetra; dia nijery izy, ka samy nandray ny tehiny avy. Dia hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Avereno ny tehin' i Arona ho eo anoloan' ny Vavolombelona, hotehirizina ho famantarana ho an' ny mpiodina, ka dia hatsahatrao hiala amiko ny fimonomononany, mba tsy ho faty izy. Dia nataon' i Mosesy izany; araka izay efa nandidian' i Jehovah azy no nataony. Dia niteny tamin' i Mosesy ny Zanak' Isiraely ka nanao hoe: Indro, maty izahay, ringana izahay, eny, ringana avokoa izahay rehetra. Ho faty izay rehetra manakaiky, dia izay manakaiky ny tabernakelin' i Jehovah; ho lany maty va izahay? Nijanona teo anelanelan' ny maty sy ny velona izy, dia nitsahatra ny loza. Puis il se tint entre les morts et les vivants ; la Plaie s' arrêta.